<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>137</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Vita izao ny fandresena :
 Haleloia, haleloia !
 Azo koa ny famonjena :
 Haleloia !
 Resy re ny fasana
 Sy ny fahafatesana
 Fahavalo farany ;
 Fa Jeso nitsangana
 Tonga fanafahana :
 Haleloia ! (in-3)

[V2]
 To izao izay nambara :
 Haleloia ! haleloia !
 Fa ny fototra nivaha
 Haleloia !
 Foana ny fasana,
 Jeso re nitsangana
 Tamin-kery lehibe,
 Ka torio ry mino e !
 Eran-tany, mba ho re :
 Haleloia ! (in-3)

[V3]
 Dia venteso ny hosana :
 Haleloia ! haleloia !
 Aoka tsy hihambahamba
 Haleloia !
 Fa efa velona tokoa
 Ilay Mpamonjy
 tsy mba roa,
 'Zay nisolo voina anao ;
 Izy no nisantatra
 Ny fiainan-tsambatra :
 Haleloia ! (in-3)</lyrics>
<title>Vita izao ny fandresena FFPM137</title>
<author>S. Randrianandraina</author>
</song>